π’©π“Ž 𝒹𝒾𝒢𝓂-π“…π‘’π“ƒπ’Ύπ“€π‘œ

π’©π“Ž 𝒹𝒾𝒢𝓂-π“…π‘’π“ƒπ’Ύπ“€π‘œ Fa amin'ny alalan'ny soratra no hilazakoizay mba ventsoventsom-poko dia indreto izy zaraiko ho anareo koa

Silaky ny foko... Malalako oh, haindry ve ny fitiavako andry ? Toa lehibe mihoatr'izao tontolo izao akiaTsy haiko vinavi...
27/05/2026

Silaky ny foko...

Malalako oh, haindry ve ny fitiavako andry ?
Toa lehibe mihoatr'izao tontolo izao akia
Tsy haiko vinavinaina akory fa mankadiry
Nitondra fahasambarana, nanala ilay hirifiry
Nanolo ilay fahoriana ho fiadanana be
Fa hatramizao anie akia aho tsy mino hoe
Tanako an-tratrako ilay sombin'ny aiko
Fanomezan'ilay Raiko
Ilay itokiako, anankinako ny fiainantsika
Mba tsy hisy tomika
Fa hirindra lalan-dava
Sy hazava
Hazavam-pitia mifamaly
Ka ho lavitry ny jaly
Dia ho feno andry ilay tontolo
Ry ilay tiako amin'ny foko manontolo
Toa tsy haiko hazavaina ho'aho akia eh
Fa tiako, tena tiako indry
Malalako oh, haindry ve ny fitiavako andry ?
Toa lehibe mihoatr'izao tontolo izao akia
Fa tiako eh, tiako tsotr'izao
Soatiako oh, tiako ianao.

RASOLOFOMANANTSOA Onjatiana
16 Mai 2026

Iny Tiako iny... Iny Tiako iny ry Raiko mba arovy, Arovy amin'izay alehany, tsinjovyTsinjovy hatrany tsy ho very Fa iny ...
27/05/2026

Iny Tiako iny...

Iny Tiako iny ry Raiko mba arovy,
Arovy amin'izay alehany, tsinjovy
Tsinjovy hatrany tsy ho very
Fa iny no mba ahy, izy irery...

Iny Tiako iny ry Raiko mba tahio
Tahio manokana tsy hijaly
Alaviro azy ny tadio
Mba ho tony izy, mba ho faly...

Iny Tiako iny ry Raiko mba tohano
Tohano mba hahatratra izay kendreny
Ny mety ho tahony fohano
Mba tsy hanakana azy ireny...

Iny Tiako iny ry Raiko mba jereo
Omeo hery lalan-dava koa,
Omano amin'izay mety hiseho,
Nefa Ianao mahalala izay mahasoa...

Iny Tiako iny ry Raiko avy Aminao
Fanomezana tsara indrindra ho ahy
Ka isaorako Anao
Iriako ho mandrakizay...

Iny Tiako iny ry Raiko anjarako
Ka apetrako Aminao lalan-dava
Ilay tiako sy iadanako
Nitondra ahy tamin'ny mazava...

Iny Tiako iny ry Raiko iriako mba ho tia
Ho tia ahy koa arak'ilay fitiako
Dia mba ho doria
Apetrako Aminao ny faniriako...

RASOLOFOMANANTSOA Onjatiana
14 Mai 2026

Apetrako kely eto ity...Sambatra indry...Sambatra akia indry nahalala izany fitiavana marinaIzaho anefa ity nanjary ho l...
27/05/2026

Apetrako kely eto ity...

Sambatra indry...

Sambatra akia indry nahalala izany fitiavana marina
Izaho anefa ity nanjary ho lavo asa raha ho tafarina
Nahafantatra fa hay fitaka avokoa izay nifampizarana fahiny
Maratra ny foko kanefa aho tsy hanome tsiny
Satria ny fon'olona marina tsy mitovy eh ?
Samy manana ny azy, ny lanjanao tamiko hafa, ny ahy taminao koa tsy haiko
Fa toa namotika ahy ihany akia eh...
Tsapako marary ny foko, ny tenako fa koa ny saiko... Ny aiko...

Sambatra akia indry sahy nandrava ilay nahorintsika roa
Toa mora kely ery amindry ny nanolo vaovao ilay taloha
Eny eh, hay moa izaho irery no nanantena fa ho doria izy ity
Saingy raha ny tamindry dia rendrarendra ihany ilay '' fitia ''
Asa na fitia no iantsoana azy ary...
Fa marary eh, tena marary
Toa mahavaky fo ilay mahita fa fitaka daloho
Ilay nanontonako ny fiainako manontolo...

Sambatra akia indry nahay nanadino sahady
Tsy mbola nifarana ary moa dia nohitsahindry ilay voady
Vendrana ve ? Tsy haiko... Mety jamba aho
Jamban'ny fitiavako anao
Dia nanjary tsy nahita fa kay sarintsariny avokoa
Ireo mody fitia nifampizarantsika roa
Tsy nanenina aho anefa nitia tamin'ny foko manontolo
Na dia rava ilay nahorina fa tsy mba voakolo

Sambatra akia indry eh, tena sambatra ery
Manjary mialona aho akia
Mialona ny fahasambarandry
Fa sambatra eh, sambatra ho'ah indry
Nahavita mody nitia
Na tsy tanteraka ary ilay doria
Dia sambatra indry, sambatra ery
Eny an-tratran'ilay tia... Tiandry...

RASOLOFOMANANTSOA Onjatiana
14 FΓ©vrier 2026

Peau de vache mamy kelyÇa vous intéresse ??
06/02/2023

Peau de vache mamy kely

Γ‡a vous intΓ©resse ??

Encore un grand modèle avec un motif encourageant et motivantVous pouvez donc commander le modèle de votre choix avec le...
12/06/2022

Encore un grand modèle avec un motif encourageant et motivant

Vous pouvez donc commander le modèle de votre choix avec le dessin (linéaire) que vous voudriez.

'' Sometimes, you got to fall before you fly ''

Un look aesthetic avec un totebag brodé à la main de Chez Soa.AIci nous avons un grand modèle de 35 sur 40 cmMerci à not...
12/06/2022

Un look aesthetic avec un totebag brodΓ© Γ  la main de Chez Soa.A

Ici nous avons un grand modèle de 35 sur 40 cm

Merci Γ  notre cliente pour les photos.

Address

Antananarivo

Telephone

+261341896833

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when π’©π“Ž 𝒹𝒾𝒢𝓂-π“…π‘’π“ƒπ’Ύπ“€π‘œ posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share