24/01/2026
Il a besoin de nous, de nos prières, de notre aide , de tout ce que l'on peut offrir ne serait-ce qu'un partage. 🙏
Svp aidons Faly dans son combat contre cette maladie.
Merci infiniment
🚨 ANTSO HO AN’NY FIFANAMPIANA SY NY FANANTENANA 🚨
Razafindrakoto Faly no anarako, 39 taona aho. Anio dia manoratra aminareo amim-panetren-tena sy amim-panantenana ny tenako, satria ny aiko no miankina amin’izany.
Voan’ny aretina polykystose rénale (fivontosan’ny voa) efa amin’ny dingana farany aho, ary tsy maintsy manao "dialyse" in-telo isan-kerinandro efa volana maro izay. Fitsaboana tena mavesatra sy mandreraka tanteraka, ary misy fiantraikany be amin'ny fahasalamako, ny heriko, ny fiainako andavanandro ary ny hoaviko izy io.
Ankehitriny, ny vahaolana tokana dia ny fanaovana grefy voa (transplantation rénale). Naneho fihetsika feno fitiavana sy fahasahiana lehibe ny vadiko amin’ny fanolorany tena ho mpanome voa velona, mba hanomezana ahy vintana hiverina hiaina ara-dalà na. Alohan’izany famindrana voa izany, dia tsy maintsy mandalo fandidiana lehibe aho hanesorana ny voako roa.
Na dia nanao izay rehetra azonay natao aza izahay, dia tsy ampy ny hoenti-manana ara-bola hiatrehana ity sedra ity. Noho izany, amim-pahamendrehana no iantsoako ny firaisankinanareo. Na izay fanampiana kely indrindra avy aminareo aza dia efa zava-dehibe ho ahy, ho anay.
🚨 APPEL À LA SOLIDARITÉ ET À L'ESPOIR 🚨
Je m’appelle Razafindrakoto Faly, j’ai 39 ans. Aujourd’hui, je vous écris avec beaucoup d’humilité et d’espoir car ma vie en dépend. Atteint d'une polykystose rénale en phase terminale, ma seule chance de survie est une transplantation rénale.
Mon épouse a fait preuve d'un immense geste d'amour en se proposant comme donneuse vivante. Avant la greffe, je dois subir une intervention chirurgicale majeure pour retirer mes deux reins. Faute de moyens, nous sollicitons votre précieuse solidarité. Chaque don, même le plus petit, est une chance de plus pour nous.
Ireto ny fomba afaka hanampiana anay/Les moyens pour nous aider
👉 Cagnotte en ligne / Don par carte bancaire : https://gofund.me/0e280f1eb
🇲🇬 Mivantana eto Madagasikara (Mobile Money) : 📲 MVola : 0347149865 - [Tiana Iriantsoa] 📲 Orange Money : 0320414721 - [Ravelonandro Lucile Clémence]
Misaotra anareo indrindra amin’ireo vavaka, ny fanohanana, ny fahalalahan-tanana ary ny hatsaram-panahinareo. Andriamanitra anie hamaly fitia. Ny firaisankinantsika no hery! 🙏❤️