18/01/2024
Mankasitraka antsika rehetra nirary soa ho an'Itokiana t@nahafenoany 18ans omaly💖🙏
Tsy ho voavaliko tsirairay fa atambatro eto ny fisaorana anareo rehetra.Mamy bé daholo ny firariantsoa ary tafapàka aty ampoko ny fitiavanareo Azy.Andriamanitra hamaly fitia ary hamaly avo foloheny izay norarianareo ho an'Itokiana ihany koa.
Ny anniversaire n'Itokiana omaly dia nosafidiana manokana mba hiavaka @ fanao mahazatra.Tsy nanao fety bé izahay fa nifidy Zaza Hafakely iray dans le besoin mba hizarana fitiavana sy hotolorana fanampiana.
Tsapanay loatra hoe tsy mora ny mitaiza zaza hafakely,na ara-môraly na ara-materialy.Indrindra eto@tsika dia mbola miady irery ny RAD fa tsy misy mintsy na ny accompagnement na ny prise en charge.Mbola vitsy anefa ireo afaka miditra anaty centre sy association...
Tao anatin'izay 18taona izay dia tsapanay loatra fa teo foana Andriamanitra ary tsy niala t@nay ny Tànamaheriny fa teo foana nanohana sy nitari-dàlana ary namatsy t@fomba tsy takatry ny saina.
Koa raha mbola omeny fahafahana mizara sy mpanampy ny hafa izahay dia hiezaka foana hanao izany.
Ny programme nay mianaka omaly hoe handeha hitsidika an'i Rayan-kely tany antranony saingy avy foana moa ny orana,za mbola anaty tsy fahasalamana ka tsy nisalasala Maman'i Rayan nanantona taty antrano mba hifankahita mivantana izy mirahalahy.
Isaorana ny Tompo fa na dia fohy aza ny fotoana nihaonana dia afaka nifampizara fifaliana kely izahay.Saika tsy nety nody Rayan kely fa nitokona nidongy t@tany😅💖💖💖
Toetra iraisan'ny Zaza Hafakely izay mora raikimpitia @ olona izay🤗💖
"Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy , mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray"
Misaotra an'i Ando Andrianarisaina ao@ nampifanena ny làlanay t@ famille n'i Rayan kely.💙🩵💙
Misaotra anao namaky hatr@farany💖
Misaotra ny Tompo rehetra🙏💖🩵🩵🩵