13/10/2025
❌ SOKAFO NY SAINA SY NY MASO ❌
Misy olom-pirenena maro2 miteny hoe:
“Hatsarao ny fiainanao fa aza miandry ny mpitondra, fa tsy miankina amin'ny mpitondra ny fiainanao, Mila samy mampandroso ny fiainany.”
Oh re havako ô! Izaho dia miezaka mizara an’izay kely mba haiko foana.
Ekeko hoe ny mpitondra tsy handeha hanantona ao antranonao ka hanatitra diplôme ho anao na tsy hianatra anao❌ . Ekeko hoe ny mpitondra tsy andeha hijery ny ao antranonao hanatitra sakafo hoaninao na tsy miasa ianao , fa tena miankina amin'ny fahaizan'ny mpitondra mitantana tompoko ny fiainany vahoaka tsirairay ao anatin'ny firenena iray .
Ity misy fanoharana iray tena tsotra :
Nandeha taxi-brousse ianao , 32 ianareo mpandeha tao miaraka amin’ny chauffeur. Io chauffeur io dia niteny taminareo hoe:
manana permis izy, tena mahay mitondra fiara tsara ka tsisy atahorana .
Lalana 1000 km no halainy anatin’ny 14 ora fotsiny farany tara hoy izy.
Misy chauffeur telo be izao ao anatinireo mpandeha 32 ireo , ary samy manana permis ,fa izy no nofidina hitondra ny tomobilo noho ny fahaizany nandresilahatra.
Lasa ny fiara, efa lany ny 14 ora fa mbola eo amin’ny 300 km ianareo. Tsy hiteny ve ianao ? hoe tsy izao ilay nifanarahana, tsy izao ilay noteneninao 🙄.
Tsy misy fiatraikany amin’ny programme-n'olona rehetra ao ve io fahatarana io?
Tsy hanova chauffeur ve ny mpandeha nefa nareo no patron tompon'ny fiara ,ary nareo no nametraka azy teo? . Ao anaty tomobilo ao anefa mbola misy chauffeur roa akohatra azy izay samy manana permis , nefa dia hainareo tsara fa noho ny tsy fahaizan’ity chauffeur ity no mahatara ny dià-nareo.
Ny tena loza anefa: nisotro toaka indray izy rehefa tonga ilay mba maka aina kely, maka rivotra Kely iny ( pause ) .
Izy efa tsy mahay iny, dia lasa ny alkôla indray no mibaiko azy ( Olona mpanambola ilay alkôla ) , dia mbola tsy hiteny tsy hanolo chauffeur ihany nareo eo ? .
Raha hivarina any anaty hantsana ve ilay fiara, dia mbola hisy sahy hiteny ihany ve ? ao hoe:
“Mipetraha tsara